<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Izao Jesosy Tompontsika FFPM154</title>
<lyrics>[V1]
 Izao Jesosy Tompontsika
 Dia nasandratry ny Ray
 Ao an-tsezam-panjakany ;
 Izay rehetra nialany
 // Voarainy indray //

[V2]
 Tsy hadinony anefa
 Izay nilaozany tatý,
 Fa omeny ny Fanahy
 Mba hitondra sy hitahy
 // Ny mpianany //

[V3]
 Ao anilan-dRainy Izy
 Manam-boninahitra,
 Ka miderà Azy any
 Izay rehetra anjakany
 // Eran-danitra //

[V4]
 Tompom-pitsarana Izy,
 Samy mba hatsangany,
 Na ny ratsy na ny tsara,
 Ka homeny izay anjara
 // Valin'asany //

[V5]
 He ! hohitantsika Izy,
 Dia ny tena endriny,
 Ka ny lova soa homena
 Izay nandray ny famonjena
 // Voatendriny //</lyrics>
<hymn_number>154</hymn_number>
</song>